
Ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa no nisolo tena ny Governemanta sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny izay tsy eto an-toerana, nandritra ity lanonana ity.

Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maître Hanitra Razafimanantsoa, fa mifanaraka amin’ny vina entin’ny Agenda 2063 sy ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra laharana faha-6 an’ny Firenena Mikambana i Madagasikara.

Nanomboka ny volana Oktobra 2025 dia fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio manodidina ny 670 no nohavaozina manerana ny faritra 19 eto Madagasikara, ka olona maherin’ny 773 000 no nahazo tombontsoa mivantana.

Eto Antananarivo, nitombo 22 000 m³ isan’andro ny famokarana rano tao Mandroseza, ary mbola hitombo 20 000 m³ fanampiny izany tsy ho ela.

Any amin’ny Faritra Atsimo , ny lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ireo fotodrafitrasa maro an’isa ary ny fantson-drano Mandrare–Sampoina dia porofon’ny ezaka hanatrarana Afrika mandroso, miray hina ary mibanjina ny ho avy.

Nifarana tao anatin’ny firaisankina sy ny fifankatiavana mampiseho ny kolontsaina afrikanina ny lanonana, ho an’i Afrika afaka, mandroso ary manana ny lanjany eo amin’izao tontolo izao.