Faritra Vatovavy

22 Jona 2026
Tontosa ny alahady 22 jona 2026 tamin’ny 03 ora tolakandro ny Fivavahana Firaisam-pinoana ho fanamarihana ny fankalazana ny Fetim-pirenena faha-66 taona, notarihin’ny FFKM Faritany Vatovavy.
Nandray anjara tamin’izany ireo manampahefana isan-tsokajiny teto an-toerana, ny Ben’ny Tanànan’i Mananjary ; ny Talem-paritry ny Fanavaozana Vatovavy Fridolin Caleb. Nifantoka tamin’ny hafatra momba ny fiovana sy ny fampihavanana ary ny Fikaonandoham-pirenena iarahan’ny FFKM sy ny Ministeran’ny Fanavaozana mitarika ny toriteny sy ny fanentanana natao.

Nahazo fanazavana sy fahatakarana bebe kokoa momba ny Fikaonandoham-pirenena sy ny lanjan’ny fiovana ho an’ny fampandrosoana ny mpandray anjara.

Nampitombo ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny fanorenana fihavanana sy fanavaozana maharitra eo anivon’ny fiarahamonina.