FIKAONANDOHAN’NY TANORA : Nohamafisina ny lanjan’ny fandraisan’anjaran’ny tanora ao anatin’ny Fikaonan-doham-pirenena
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Atoa Rajaonarison Mamitiana ny tatitra momba ireo dingana efa vita tamin’ny Fikaonandohan’ny Tanora. Nandritra izany no nanehoan’ireo tanora ny ahiahiny sao tsy hahazo toerana ao anatin’ny fehin-kevitra farany hivoaka amin’ny Dinika Nasionaly ireo soso-kevitra sy hetaheta nentin’izy ireo.
Ho setrin’izany, nanome toky Andriamatoa Praiminisitra fa hampita ireo ahiahy ireo amin’ny FFKM, izay mitarika ny Fikaonan-doham-pirenena. Nambarany ihany koa fa ny Komity Teknika eo anivon’ny Primatiora no hiantoka sy hanara-maso ny fampidirana ireo lohahevitra sy fehin-kevitra nivoitra tamin’ny Fikaonandohan’ny Tanora ao anatin’ny lahadinika hofaritan’ny FFKM.
Nampahafantarina nandritra ny fihaonana fa kasaina hotanterahina ny 28, 29 ary 30 Jolay, ary ny 1 Aogositra 2026 ny Dinika Nasionaly, izay hanatanterahana ny fandravonana sy ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fehin-kevitra farany.
Androany 16 jolay kosa dia nisy ny fihaonan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana sy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena avy amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana (SNU), ny iraka manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, ary ny Firaisambe Afrikana (UA).
Nambaran’izy ireo fa misy sokajin-tanora sasany, isan’izany ny Gen Z sy ny tanora Silamo, mahatsapa ho tsy voasolotena araka ny tokony ho izy, ka ilaina ny fanamafisana ny fandraisana anjaran’izy ireo mba hahatonga ny dingana ho tena mampiaty ny rehetra.
Ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana dia Manamafy hatrany fa hiantoka ny fampandraisana anjara ny olompirenena rehetra.