
Takian’ny vahoaka ny fandraisana anjara bebe kokoa amin’ny ady heloka sy ady madio fa indrindra amin’ny ny ady tany. Anisan’ny vahaolana entina ny fiaraha-miasa amin’ny Minisitera isan-karazany izay miandraikitra resaka tany sy ireo mpanao lalàna
Notsipihiny fa io ady tany io no tena mameno ny asa eny amin’ny Fitsarana ankoatra ny tsy fandriampahalemana sy ny ady ara-barotra.

Fahamarinana no tokony ijoroana, tsy misy tombo sy ala. Mila fantatry ny vahoaka fa tsy mitanila ka mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny Fitsarana

Atao ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanamafisana ny ady amin’ny famerenana ny volam-panjakana voahodina, ny fangejana fanjakana, ny tsy fandriampahalemana, ny hala-zaza izay nahazo vahana tato ato.