🗓️ 11 May 2026
📍 Fianarantsoa
FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TANORA TAO MATSIATRA AMBONY: efa manana ny vahaolana hampandrosoana ny faritra ireo tanora
✅ Nanomboka androany tao amin’ny lapan’ny faritra Fianarantsoa ny fikaonandoham-paritra ho an’ny tanora ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
🗣️ Anisan’ireo nandray fitenenana tanaty kabary fanokafana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana any an-toerana, Ramatoa Stella Razanamahefa.
👥 Mandray anjara ao anatin’ity fikaonandoha ity avokoa ny tanora avy eny amin’ny anjerimanontolo, avy amin’ny fikambanana isan-tsokajiny. Teo ihany koa ireo tanora manana fahasembanana.
🔴 Mitohy manerana ireo distrika rehetra ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony ity fikaonandohan’ny tanora hatramin’ny alarobia 13 Mai izao.
Loharanom-baovao : DRR Matsiatra Ambony