
Maintirano – Faritra Melaky

02 – 03 Jona 2026

FIKAONANDOHAM-PARITRA NY TANORA MELAKY 2026

Tanterahina eto Maintirano ny Fikaonandoham-paritra ny Tanora Melaky 2026, mampivondrona ireo solontenan’ny tanora avy amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny Faritra Melaky : Antsalova, Morafenobe, Ambatomainty, Besalampy ary Maintirano.

Sehatra lehibe ahafahan’ny tanora mifanakalo traikefa sy hevitra, mandray anjara amin’ny adihevitra momba ny fampandrosoana ary maneho ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny hoavin’ny Faritra sy ny Firenena ity fikaonandoha ity.

Tanjona lehibe amin’izany ny : • Fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana ifotony ;
• Fampiroboroboana ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana ;
• Fanohanana ireo vina sy politikam-panjakana manome sehatra sy fahafahana bebe kokoa ho an’ny tanora.

Nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny solontenan’ny Lehiben’ny Faritra Melaky, Andriamatoa Clément TSARAMANDY (DAG), niaraka tamin’Andriamatoa Préfet de Maintirano, ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Melaky, Roger Randriamampionona, ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Melaky ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra sy ny atrikasa dia naneho ny hetahetany sy ny vinany momba ny fampandrosoana ny tanora, ka nametraka soso-kevitra sy vahaolana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina eo anivon’ny Faritra Melaky.

Maneho ny fahavononan’ny tanora handray andraikitra sy hitondra ny feony amin’ny fampandrosoana maharitra ity fihaonana ity. Porofon’izany ny fahavitrihan’izy ireo mandray anjara amin’ny fanorenana fiarahamonina mirindra sy mandroso, manamafy fa ny tanora no hery velona sy antoky ny hoavin’i Madagasikara.