📍 Mahajanga, 24 Jona 2026
🤝 Fihaonana teo amin’ny FFKM Boeny sy ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny
Notanterahina androany ny fihaonana santatra teo amin’ny FFKM Boeny sy ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny notarihan’ny Talem-paritra Razafindrakoto Tojo Harinala, ho fanomanana ny Fikaonan-doham-paritra izay hotanterahina manomboka eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra.
✅ Nandritra izany no nandrindrana sy nametrahana ireo lamina rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny fikaonan-doha, eo am-piandrasana ny fanombohany amin’ny fomba ofisialy eo ambany fitarihan’ny FFKM.
🤝 Vonona hatrany ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny hanome tan-tsoroka sy hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ho fampandrosoana sy fanamafisana ny firaisankinam-pirenena.