🗓️ Zoma 22 May 2026
📍 Faritra Vatovavy – Distrikan’i Mananjary – Fokontany Sarina
🎙️📺 Fanavaozana tsy vita ambony latabatra fa mila fidinana ifotony sy fifampihainoana amin’ny vahoaka.
Nisy ny fanazavana sy fifanakalozana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ary koa ny fanatonana akaiky ireo mponina eny ifotony, mba hahafantarana mivantana ireo olana sedrain’ny vahoaka isan’andro.
👥 Niarahana tamin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Vatovavy, Andriamatoa Fridolin Caleb, izany hetsika izany.
💬 Ny fanavaozana marina dia miainga amin’ny fihainoana ny feon’ny olom-pirenena sy ny fiaraha-misaina amin’izy ireo.
⚡ Na maro aza ireo sedra sy fanamby lalovana, dia ilaina ny fikirizana sy ny firaisankina mba hahatratrarana ny fampandrosoana maharitra.
🌱 Ny fandraisan’anjaran’ny rehetra no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fanavaozana ifotony.