🇲🇬 📅 10 Jona 2026
📍 Faritra Vatovavy
🎓 Nanatrika sy nandray anjara tamin’ny kabary ny Talem-paritra Misahana ny Faritra Vatovavy nandritra ny fanamarihana ny Iray Volan’ny Teny Malagasy. Nohamafisiny fa tokony hotandrovina sy hasandratra hatrany ny Teny Malagasy, izay maha-izy sy mampiavaka ny Malagasy.
📚 Nohamarihina tamin’ny alalan’ny riba, soratononina ary famakiana tononkalo ny hetsika.
✅ Nitombo ny fahatsiarovan-tenan’ny mpianatra sy ny mpandray anjara momba ny lanja sy ny maha-zava-dehibe ny Teny Malagasy.
🌱 Voataiza ho tia sy hanome hasina ny Teny Malagasy ny tanora, mba tsy ho resin’ny fiantraikan’ny teknolojia sy ny fanatontoloana.