
Tontosa tany amin’ny kaominina Lanivo sy kaominina Ankarimbary samy any amin’ny distrikan’i Vohipeno ny fampahafantarana sy fanentanana momba ny fikaonandoham-pirenena. Resy lahatra ny vahoaka tany amin’ireo kaominina roa ireo fa tena ilaina tokoa ahafahana manarina ny Fokontany ny fikaonandoham-pirenena.