📅15 Jona 2026
📍 Faritra Boeny
🤝Nihaona ny Tale Misahana ny Fanavaozana Boeny sy ny solontenan’ny FFKM ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fandrindrana ireo hetsika hatao ao amin’ny Faritra. Nofaritana nandritra izany fa hisy dinika lalina hiarahana amin’ireo filoham-piangonana efatra ny 24 Jona 2026, mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena.
✅ Nifanarahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fiarahana midina ifotony amin’ny fanatanterahana ireo hetsika voalahatra.
🌟 Tanjona moa ny hisian’ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana eny ifotony.