Faritra Boeny
22 Jona 2026
Fihaonana teo amin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana sy ny Filohan’ny FFKM Boeny
Nisy ny fihaonana manokana nataon’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny Razafindrakoto Tojo Harinala sy ny Filohan’ny FFKM Boeny, ho fanomanana mialoha ny fihaonana izay hotanterahina ny 24 Jona 2026. Nandritra izany no nanaovan’ny Filohan’ny FFKM tatitra momba ny fivoriana notanterahina tany amin’ny Foibe ary niresahana ireo lahadinika sy fandaminana mifandraika amin’ny fikaonandoha tarihin’ny FFKM.
Manampy amin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa sy ny fahatomombanan’ny fanomanana ny fikaonandoha ho avy.
Mitohy ny fiaraha-mientana sy ny fifampidinihana ho fampandrosoana ny firenena.
#mcr
#Fanavaozana
#Fikaonandohampirenena
#fifanajana
#FiarahaMientana
#fanolorantena