20 Jona 2026
📍Faritra Atsinanana
🧹 Nandray anjara tamin’ny hetsika fanadiovana faobe ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana, Ramatoa Voizy Blandine, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Hetsika iray maneho fa andraikitry ny rehetra ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fidiovana ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny tontolo iainana.
✅ Niroso tamin’ny fanadiovana ireo toerana voakasika ny mpandray anjara ary nohamafisina ny fanentanana momba ny fahadiovana.
🌱 Manampy amin’ny fanatsarana ny fahadiovan’ny tanàna, mampihena ny mety hiparitahan’ny aretina ary mampitombo ny fahatsapan’ny mponina ny andraikiny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.