🗓️ 28 MAY 2026
📍 Faritra Analanjirofo,Kaominina Ambanivohitra Mahambo
🤝 Nisy ny fidinana ifotony sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena niarahana tamin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna sy ny Lefiny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahambo ary ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Faritra Analanjirofo Andrianandraina Aldine.
👥 Nozaraina roa ny fihaonana noho ny velaran’ny kaominina:
🌅 Ny maraina dia natao tao Sahavary niaraka tamin’ireo Fokontany 11 any amin’ny ilany andrefana, ka nandray anjara ny sefom-pokontany, Tangalamena, fikambanam-behivavy, tanora ary ireo olom-pirenena liana.
🌇 Ny tolakandro kosa dia natao tao amin’ny renivohitry ny kaominina niaraka tamin’ireo sefom-pokontany 15, solontenan’ny fiangonana, tangalamena ary mpiasam-panjakana.
🗣️ Nampahafantarina nandritra izany ny hisian’ny fakan-kevitra eny ifotony ary natao ny fanentanana ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’izany.
✅ Vokatra: Nahitana fahalianana lehibe avy amin’ny mpandray anjara, izay nametraka fanontaniana maro sy naneho fahavononana hiara-hisalahy amin’ny fanentanana ny mponina.
🙏 Isaorana manokana Andriamatoa Ben’ny Tanànan’i Mahambo sy ireo tompon’andraikitra rehetra tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjara.