15 MAY 2026 – DISTRIKAN’I VAVATENINA Faritra Analanjirofo : Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo Ramatoa Andrianandraina Aldine Ny maraina, notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maromitety ny fambolen-kazo ofisialy ho fanombohana ny taom-pambolen-kazo ao amin’ny Distrika, notarihin’Andriamatoa Solombavambahoaka voafidy tao Vavatenina, ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo ary ny Lehiben’ny Distrika. Ny tolakandro kosa, nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo sokajin’olona samihafa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Vavatenina. Nandritra izany no nanazavana ny momba ny Fanavaozana sy ny fakan-kevitra ary nanentanana ny rehetra handray anjara mavitrika amin’izany.
Fandraisana andraikitra iombonana ho an’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena.