FANOMBOHANA OFISIALY NY FAMOAHANA NY REJISTRA SOSIALY TOKANA (RSU) SY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIANAKAVIANA

🗓️ 15 MAY 2026
📍 Parvis Analakely
🇲🇬 FANOMBOHANA OFISIALY NY FAMOAHANA NY REJISTRA SOSIALY TOKANA (RSU) SY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIANAKAVIANA
✅ Notanterahina androany teny amin’ny Parvis Analakely ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny famoahana ny Rejistra Sosialy Tokana (RSU), niaraka tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fianakaviana.
🔹 Anisan’ireo nanatrika ny fotoana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Médecin Général de Brigade Zafitasondry Marcellin ; ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritany Toamasina, Fidèle Razara Pierre notronin’ny Solombavam-bahoaka maromaro.
Anisan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta teny an-toerana ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa; ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Rakotoniaina Voahanginirina Cathia ary ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.
📌 Ny Rejistra Sosialy Tokana dia takelaka nomerika nasionaly izay mirakitra ny antontan-kevitra ara-tsosialy (Plateforme numérique nationale des données sociales) izay afahana mamantatra, mandrindra ary hanaraka akaiky ireo tokantrano marefo sy sahirana. Tanjona ny hiantohana ny mangarahara sy ny ara-drariny amin’ny fitantanana ireo fanampiana sy tohana omen’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka.
🤝 Raisina eny anivon’ny sampandraharaha sosialy na ivon-toerana fanangonana angon-drakitra nahazo fankatoavana ny andinindininy momba ny fangatahana fisoratana anarana ao anatiny. Fiaraha-miasa tamin’ny FID sy ny Banky iraisampirenena ary mpiara-miombon’antoka samihafa no nahafahana nanatontosa izany.
🎙️ Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Mponina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, dia fitaovana iray hijerena sy hanaraha-maso akaiky ireo olona sahirana, ireo manana fahasembanana, zokiolona, vehivavy ary ireo tokantrano marefo manerana ny Nosy ihany ny ‘‘Registre Social Unique’’. Nankasitraka ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izy amin’ny fijerena manokana ireo sokajin’olona marefo mandritran’izao vanim-potoana izao.
🎙️ Notsindrin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, Medecin Général de Brigade Zafitasondry Marcellin, tamin’ny fandraisam-pitenenana fa ny fitondrana Fanavaozana dia manome lanja ny tontolo ambanivohitra sy ireo mpiray tanindrazana mila tohana manokana.
🎁 Nandritry ny lanonana dia notolorana vatsy sy fanampiana ireo olona marefo ara-pivelomana, ny zokiolona ary ireo manana fahasembanana tonga nanatrika ny fotoana.