FANOMANANA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA : TANY MAROVOAY NY EKIPAN’NY TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA
Ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora izay hotanterahana amin’ny alalan’ny fakan-kevitra ifotony dia nidina tany Marovoay ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Boeny, ny Dr Tojo Razafindrakoto sy ireo mpiara-miasa aminy.
Mba handrindrana sy hametrahana paikady hanatanterahana izany fikaonandoha izany, dia nihaona tamin ireo Ben’ny tanàna 13, ireo sefo Fokontany, ny mambran’ny OMC, ireo STD ary ireo « assistants parlementaires », izy ireo
Mihaino ny feon’ny vahoaka ny Minisitera ho an’ny fanavaozana ny firenena.