
Notanterahina teny Ankatso androany ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny boky mirakitra ireo fehin-kevitra sy fanamby momba ny Fanavaozana sy ny fanorenana ny Firenena, vokatry ny asa fikarohana sy fandinihana nataon’ireo akademisianina ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siansa Maha Olona.

Nanatrika izany ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony Ravonimanantsoa Manda-Vy, ireo tompon’andraikitry ny Oniversite, mpampianatra mpikaroka ary mpianatra maro.

Nandritra ny lahateniny, ny Profesora Rarivomanantsoa dia nanamafy fa ny Fanavaozana dia dingana lavitra ezaka, tsy mora tanterahina ary mitaky fotoana sy faharetana. Nohamafisiny fa tsy maintsy miorina amin’ny finiavana iombonana sy ny fandraisana andraikitra iombonana izany, ary tsy maintsy miainga eny ifotony raha tiana haharitra sy hahomby.

Ramatoa Minisitra Hanitra Razafimanantsoa dia nanambara fa maneho ny fahavononan’ny tontolo akademika handray anjara mavitrika amin’ny Fanavaozana izao hetsika izao. Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny manampahaizana, mpikaroka, tanora ary ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-mandinika.

Ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison dia nanasongadina fa adidin’ny manampahaizana ny manolotra hevitra hanatsarana ny fitantanana ny Firenena, ary ilaina ny fihainoana satria “tsy misy olona tampim-pahaizana.”

Nambarany ihany koa fa hatolotra ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Michaël Randrianirina, ity boky ity ary hozaraina amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta mba hodinihina sy hampiharina ireo tolo-kevitra.