
19 May 2026

Ankadikely

FANOKAFANA NY KOMITY FAHA-47 SY NY FIHAONAMBE FFKM

“Indro havaoziko ny zavatra rehetra” — Apokalipsy 21:5

Tontosa androany 19 Mey 2026 teny amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy ny fanompoam-pivavahana nanamarika tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny Komity faha-47 sy ny Fihaonambe karakarain’ny FFKM, mialoha ny hanatanterahana ny Fikaonan-doham-pirenena.

Ireo Filoham-piangonana efatra mandrafitra ny FFKM no nitarika izany, dia Monseigneur Ranarivelo Samoela Jaona, Monseigneur Ranarivelo Jean de Dieu Raoelison, Pasitera Zaka Hary Masy Andriamampianina ary Pastora Denis Rakozafy.

Nanome voninahitra manokana ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara Colonel Mickael Randrianirina niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro, anisan’izany ny Minisitry ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa.

Nandritra ny lahateniny dia nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa fotoan-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenena ny Fikaonan-doham-pirenena , satria sehatra hiarahan’ny Malagasy rehetra mandinika sy mametraka ny tena fanavaozana mendrika ny firenena. Nasongadiny fa ilaina ny fananganana indray ny fifampitokisana, ny firaisankina ary ny fanomanana ny sain’ny tanora ho tompon’andraikitra amin’ny hoavin’i Madagasikara.

Naneho fanohanana feno ny FFKM ihany koa izy tamin’ny fanolorana fanampiana mitentina 150 tapitrisa ariary, ary nangataka vavaka sy fiaretana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy manoloana ireo sedra lalovana.

Ho an’ny FFKM kosa dia nohamafisina fa tsy mikatsaka tombontsoa manokana ny Fiangonana, fa mijoro ho mpitari-dàlana sy mpampiray ny Malagasy rehetra. Nambaran’izy ireo fa mila toetsain’ny mpandresy, fanetren-tena ary herim-po ny fanarenana ny firenena, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana sarotra izao.

Ny Fikaonandoham-pirenena dia vinan’ny fanavaozana sy fifanakalozan-kevitra iombonana, entina hametrahana fototra vaovao ho an’ny fampandrosoana maharitra, ny firaisam-pirenena ary ny hoavin’i Madagasikara.