
Miarinarivo – Faritra Itasy

01 Jona 2026

FANENTANANA MOMBA NY DINGAN’NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
Notanterahina tao Miarinarivo ny fampahafantarana sy fanentanana mikasika ny fizotran’ny Fikaonandoham-pirenena ho avy. Nandray anjara tamin’izany ireo tompon’andraikitra sy solontena isan-tsokajiny, ahitana ny Préfet, Solombavambahoaka, Sampan-draharaham-panjakana , Ben’ny Tanàna, Sefom-pokontany, tanora ary ny sehatra tsy miankina.

Nandritra ny fihaonana dia nohazavaina ny tanjona sy ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, ary nasongadina ny maha zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena rehetra amin’izany.

Nambaran’ireo mpandray anjara ihany koa fa efa mandefa tsy tapaka ny hafatra fanentanana mikasika ity hetsika ity ny ankamaroan’ireo haino aman-jery eo an-toerana. Nisy araka izany ny fanentanana hanamafisana sy hanitarana hatrany ny fampielezana izany vaovao izany mba hahatratra ny vahoaka maro indrindra.

Mitohy hatrany ny ezaka fampahafantarana sy fanentanana eny ifotony ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena, hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena.