🗓️ 28 Aprily 2026
📍Lapan’i Mahazoarivo
Fanatanterahana ny programan’asan’ny Fanavaozana: iraka iray lehibe ho an’ny governemanta
👥Ao anatin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanatanterahana ny programan’asan’ny Fanavaozana, dia nitarika dinik’asa teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo androany ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison . Nanatrika io fotoana io ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana Atoa Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
🗣️Iraka roa lehibe no nankinina tamin’ny governemanta hoy ny Praiminisitra dia ny hamaly ny filàna maikan’ny mponina ary ny faharoa kosa dia ny fanatanterahana ny programan’asan’ny Fanavaozana.
✅Izao fihaonana izao araka izany no nentina nandrindrana ny fomba hoentina manatanteraka ny fanavaozana sy ny asa manandrify ny departemanta tsirairay.
👉Ny lalantsaina entina miasa dia mifototra indrindra amin’ny fampandehanan-draharaha maika, ny vokany amin’ny vahoaka ary ny fahaizana mitondra zava-baovao sy mampivoatra.
🗣️Ny fikaonandoha no dingana voalohany ao anatin’ny fanavaozana ary hihainoana ny hevitry ny olom-pirenena ary koa hahafahany miteny malalaka. Nohamafisina noho izany ny fomba fiasa mampiaty hampandraisana anjara ny malagasy sy ny mponina rehetra araka ny fanazavana nentin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana.
👉Notsipihana ihany koa ny fanomezan-danja ny kolontsainan’ny faritra tsirairay amin’ny fotoana fanantarehana ny fikaonandoha.
🎯Tanjona ao anatin’izao fanavaozana izao ny hamerenana ny fifampitokisana sy ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka hisian’ny fiaraha-monina mirindra.
🔴Dingana ao anatin’ny fanavaozana ihany koa ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana, ny fitsapan-kevi-bahoaka hifidianana ny Lalàmpanorenana hifehy ny Repoblika faha-5 ary ireo fifidianana samihafa hotanterahana eto amin’ny firenena.
🟢Mandritra ireo fotoana ireo anefa dia hanana ny anjara andraikiny koa ireo vovonanana mpanara-maso eny anivon’ny Minisitera tsirairay.
#mcr#Fanavaozana#fikaonandohampirenena
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana