📍 Miarinarivo – Faritra Itasy
🗓️ 02 Jona 2026
🤝 FAMONDRONANA IREO FIARAHAMONIM-PIRENENA (OSC)
Nivory teto amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Itasy ireo OSC miisa 41 avy amin’ny distrika telo, notarihin’ny Talem-paritry Misahana ny Fanavaozana Itasy Ranarivao Onitiana Sitraka. Nifampidinihana ny mampiavaka ny faritra sy ny paikady hanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony, ary nofidiana ihany koa ny solontenan’izy ireo ao amin’ny CRO.
🏛️ Taorian’izay dia nitsidika ny Préfet tao Miarinarivo izy ireo
✨ Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanentanana sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena eny ifotony ny Fiarahamonim-pirenena. 🇲🇬