22 Jona 2026-Maroantsetra
Fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Ambatosoa
Notanterahina ny 22 Jona 2026 tao Maroantsetra ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Ambatosoa, Andriamatoa SAMBO Jean Jonasy Fils.
Nanotrona izany ny Mpanolotsain’ny Fiadidiana ny Fanavaozana Repoblika Madagasikara , Andriamatoa Alain MAHAVIMBINA, ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo, ary ireo tompon’andraiki-panjakana avy amin’ireo distrika mandrafitra ny Faritra Ambatosoa, dia Mananara Avaratra sy Maroantsetra, notarihin’ny Préfet-n’i Maroantsetra sy ny Lehiben’ny Distrikan’i Mananara Avaratra ary ny Talem-paritry ny Fanavaozana Anlanjirofo Andrianandraina Aldine
Nifarana tao anatin’ny firaisankina sy fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny Faritra Ambatosoa ny lanonana