Fametrahana amin’ny fomba Ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Vatovavy, Ramatoa Hanitriniaina Elys Karena ny harivan’ny Zoma 01 May 2026.
Natrehin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Jeneraly Lucien Rabearimanana sy ny Minisitra misahana ny asa, ny Fampananana asa sy ny asam-panjakana ary ireo Solombavambahoaka voafidy tao anaty Faritra Vatovavy.
Nanome voninahitra ity fotoana ity ihany koa ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Andriamatoa Fridolin Caleb.