
Notontosaina ny 21 Jona 2026 ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Nifantoka tamin’ny lohahevitra “Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara” ny fotoana, izay notarihin’ny FFKM tamin’ny alalan’ny Mpitandrina FJKM. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Préfet-n’i Maevatanàna, ny Tale kabinetra Faritra, ireo mpikambana OMC, ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Betsiboka Ramaroso Moise, ireo Talem-paritra namana ary ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana sy tsy miankina.