
29 Mey 2026

Distrikan’i Vangaindrano – Faritra Atsimo Atsinanana

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony sy ny fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena.
Nisy ny fihaonana sy fanazavana notanterahina any zoma 29 Mey 2026 tao Vangaindrano, mikasika ny fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoham-paritra, ho fanomanana ny dingana manaraka amin’ny Fikaonandoham-pirenena.

Nanatrika izany:

Ny Lehiben’ny Distrika Vangaindrano sy ireo lefiny roa,ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana misahana ny Faritra Atsimo Atsinanana

Ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana rehetra

Ireo Ben’ny Tanàna miisa 31 ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana

Solontena avy amin’ireo Fikambanan’ny Olom-pirenena (OSC)

Nandritra izany dia nisy ny fanentanana sy fanazavana momba ny tanjona, ny fanomanana ny Fikaonandoham-paritra ary ny anjara andraikitry ny mpisehatra rehetra amin’izany.

Vokatra : Nitombo ny fahafantarana sy ny fahavononan’ireo mpandray anjara handray anjara mavitrika amin’ny dingana ho avy.

Fiantraikany : Manamafy ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra sy ny vahoaka eny ifotony amin’ny fananganana vina iombonana ho fampandrosoana ny firenena.

Araka ny fandaharam-potoana, dia hitohy amin’ny fidinana eny anivon’ireo Kaominina Ambanivohitra tsirairay ny fanentanana sy ny fifampidinihana.