22 Jona 2026
📍 Distrika Tsihombe-Faritra Androy
🤝 Notanterahina ny fihaonana niarahana tamin’ ny talem-paritra miasahana ny Faritra Androy Miha Jaonasitera sy ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ary ny FFKM tao amin’ny Distrika Tsihome ka tao amin’ny Kaominina Ankilivalo;Behazomanga;Anjampaly;Marovato;Imongy;Tsihombe;ary Antaritarike. Nandritra izany no nanaovana fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny Fikaonandoham-pirenena ho tarihin’ny FFKM ary ny anjara birikin’ny rehetra amin’ny fampandrosoana sy ny fanamafisana ny firaisankina eny ifotony.
✅ Nahazo fanazavana sy nifampizara hevitra ireo mpandray anjara, ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ireo hetsika sy dinika ho tombontsoan’ny vahoaka.
🌟 Nihamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana eo amin’ny fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny FFKM, ka manampy amin’ny fanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny raharaham-pirenena.