📍 Distrika Soavinandriana – Faritra Itasy
🗓️ 03 Jona 2026
🇲🇬 FANENTANANA MOMBA NY FIZOTRAN’NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
📢 Nandritra ny fivoriana isam-bolana teto Soavinandriana no nanatanterahana ny fampahafantarana sy fanentanana momba ny dingana mankany amin’ny Fikaonandoham-pirenena izay niarahana tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, ho fanomanana sy fampandraisana anjara ny olom-pirenena rehetra.
🤝 Nanatrika izany ny Solombavambahoakan’ny Soavinandriana Rivo Setra Randrianarison, ny Lehiben’ny Distrika, ireo Ben’ny Tanàna, tomponandraikitry ny sampan-draharaham-panjakana ary ireo Deleguem-panjakana.
✨ Tsapa nandritra ny fifanakalozana ny fahalianan’ny rehetra sy ny fahavononany handray anjara amin’ity dingana lehibe ho an’ny firenena ity. 🇲🇬