
28 May 2026

Distrika Faratsiho,Faritra Vakinakaratra

Nandritra ny fivoriana isam-bolan’ny Distrika dia nohararaotina ny fotoana hanomezana fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena (Concertation Nationale).

Nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Ben’ny Tanàna sy sefo Fokontany maro ary notarihin’ireo solontenan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ny fanentanana sy fanazavana.

Nisy ny famelabelarana momba ny fizotry ny fikaonandoha, narahin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanontaniana isan-karazany.

Nazava kokoa ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fanomanana ny fikaonandoha.
Voaomana ireo mpitarika eny ifotony hampiely ny vaovao sy hanentana ny vahoaka.
Nisy ny fahavononana sy firaisan-kevitra hanohy ny dingana eny anivon’ny Kaominina sy Fokontany.

Fisaorana manokana an-dRamatoa Sefo Distrika sy ny Adjoint Distrika noho ny fanamorana sy fandrindrana nahatonga ny hetsika ho tanteraka am-pilaminana sy nahomby.

??
