📍Distrika Farafangana – Faritra Atsimo Atsinanana
🗓️ 09 Jona 2026
👥FIKAONANDOHAN’NY TANORA HO AN’NY FANAVAOZANA
Nosokafana ny 09 Jona ny fikaonandohan’ny tanora avy amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny Faritra Atsimo Atsinanana: Farafangana, Vangaindrano, Midongy Atsimo, Befotaka Atsimo ary Vondrozo.
🗓️ Haharitra roa andro ny fihaonana, ka handinihana ireo lohahevitra lehibe dimy: politika, fahaiza-mitantana, toekarena,tontolo iainana ary ny lafiny sosialy,.
🤝 Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, isan’izany ny Lefitry ny Prefet, ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ary ireo mpikambana ao amin’ny komity mpikarakara.
✨ Tanjona ny hanangonana ny feon’ny tanora sy ny soso-kevitr’izy ireo ho an’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ny Faritra.