📅 Zoma 29 May 2026
📍 Faritra Vakinankaratra
📌 Distrika Antsirabe II – Kaominina Ambohibary
🤝 Notanterahina ny zoma 29 mey 2026 ny fivoriana sy dinidinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo hery velona eny anivon’ny fiarahamonina,notarihan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinakaratra Ramatoa Rajaonarivony Tantely, nahitana ihany koa ny Ben’ny Tanàna, ireo Délégué, sefo Fokontany miisa 19, olobe sy raiamandreny, solontenan’ny sampandraharaham-panjakana ary ireo tanora.
🎯 Natao indrindra izao fihaonana izao mba hanomezana fanazavana mazava sy feno momba ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany, ary koa hifampizarana hevitra momba ireo fomba sy paikady hahazoana antoka fa tena maneho ny hetahetan’ny mponina sy ny zava-misy eny ifotony ny vokatra ho azo.
🗣️ Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nohamafisina ny maha zava-dehibe ny firaisankina, ny fifanatonana ary ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Nifantoka tamin’ny: 🔹 fanamafisana ny fanentanana sy fampahafantarana ny vahoaka;
🔹 fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony;
🔹 fampandraisana anjara mavitrika ny tanora sy ny raiamandreny;
🔹 fandrindrana ny fanatanterahana ny fakan-kevitra ao anatin’ny filaminana sy ny fahombiazana.
✅ Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy handray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany ireo mpandray anjara rehetra, mba hahafahan’ny feon’ny vahoaka ho re sy ho tafiditra ao anatin’ireo vinavina sy fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny firenena.
🇲🇬 Fandraisana anjara iombonana no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony. 🇲🇬