21 May 2026

CR Tsaravary –Distrikan’ny Mananjary Faritra Vatovavy

Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Bevary ary nanentana ny mponina ho fanomanana ny Fikaonandoha manakaiky vahoaka eny anivon’ny Kaominina sy Fokontany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atoa Fridolin Caleb sy ireo mpiara-miasa aminy.

Asa natao : fanazavana ny tanjon’ny Fikaonandoha, fanentanana ny mponina ary fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony.

Vokatra azo : nitombo ny fahafantaran’ny vahoaka ny anjara toerany ary nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjara eny ifotony.

Fiantraikany : fanapahan-kevitra mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka sy fanamafisana ny firaisankina ho amin’ny fampandrosoana.