
12 Jona 2026

Biraon’ny Filohan’ny FFKM, Morafeno Fenoarivo Atsinanana – Faritra Analanjirofo

TALEM-PARITRY NY FANAVAOZANA ANALANJIROFO NIHAONA TAMIN’NY FILOHAN’NY FFKM

Nihaona tamin’ny Révérend Olivier, Filohan’ny FFKM Analanjirofo, Rtoa ANDRIANANDRAINA Aldine, Talem-paritry ny Fanavaozana Analanjirofo, mba hifampizarana vaovao sy handrindra ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena.

Nandritra izany no nitaterana ireo asa efa vita, indrindra ny fidinana ifotony sy ny fanentanana ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany.

Nankasitraka ny ezaka vita ny FFKM ary nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana vaovao amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.