
16 Jona 2026

Birao Minisitera Misahana ny Fanavaozana Antaninarenina

Notanterahina tao amin’ny Biraon’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana Antaninarenina ny fisoratana anarana biometrika “Izaho Tokana”, hetsika natao hampidirana ny olom-pirenena ao anatin’ny rafitra famantarana nomerika tokana. Maimaim-poana ny fisoratana anarana ary natokana ho an’ny olom-pirenena malagasy rehetra feno 18 taona.

Amin’ny alalan’ity fisoratana anarana ity dia mahazo Laharana Tokana Famantarana (NUI) ny mpisitraka, izay manamora ny fidirana sy ny fisitrahana ireo tolotra ara-panjakana isan-karazany, sady manatsara ny fahamarinan’ny mombamomba ny olom-pirenena ao anatin’ny tahirin-kevitra nasionaly.


Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpiasa eo anivon’ny Ministera Misahana ny Fanavaozana sy ny ankohonan’izy ireo, maneho ny fanohanany ny ezaka fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fanamafisana ny maha-izy azy ara-dalàna ho an’ny olom-pirenena tsirairay.