📍 ANTANIFOTSY
🗓️ 23 Aprily 2026
✔️Ho fanomanana ny fakan-kevitra isam-pokontany dia nidina ifotony tao amin’ny distrikan’Antanifotsy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony. Nifampidinika taminy araka izany ny Lehiben’ny distrika, ireo mpitantana fikambanana, ireo mpitaiza tanora ary ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna.
✔️Nifantoka tamin’ny fandrindrana sy ny fanomanana ireo dingana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny dinika.
📅 Raha ny fandaharam-potoana dia ny Talata 12 Mey 2026 no hanomboka ny fikaonandoha momba ny rafi-pifidianana sy ny fitantanana ny andrim-panjakana.
🎯 Tanjona amin’izao fihaonana izao ny hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra ho amin’ny fomba mampiaty.
#mcr#Fanavaozana#fikaonandohampirenena
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana