Akon'ny fananganan-tsaina teo anivon'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana

🗓️04 Aprily 2026
📍Antaninarenina
🇲🇬Akon’ny fananganan-tsaina teo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
Zava-dehibe eo amin’ny firenena ny fananganan-tsaina. Ary ny fametrahana ny tànana eo amin’ny fo dia faharesen-dahatra fa masina ny firenena.
🗣️Tao anatin’ny fandraisany fitenenana no nilazan’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa ireo dingana vita taorian’ny 25 Martsa nanendrena azy ho mpikambana ao anatin’ny governemanta indray.
👉 Ny fikaonandoha teny ifotony nanandramana ireo fomba fiasa tany Antsirabe I sy Antsirabe II
👉Ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra izay nandraisan’ireo talem-paritra misahana ny Fanavaozana anjara mavitrika
👉Ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka nandinihina ny hanamafisana ny fiaraha-miasa
👉Fandrafetana ho antontan-kevitra tokana ny fandaharan’asa rehetra mahakasika ny fanavaozana miaraka amin’ny tetibola mifandraika amin’izany
✅Nasongadin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ihany koa ireo asa lehibe miandry ny minisitera mba handrosoana hatrany amin’ny fanatanterahana ny programan’asan’ny Fanavaozana:
🗓️5 sy 6 May: Fampiofanana ireo mpampiofana hitarika ny Fikaonandoha ho an’ny minisitera,ny FFKM,ny Fiarahamonim-pirenena,ny tanora sy ny fikambanam-behivavy.
🗓️20 May: Lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoha eny amin’ny CCI Ivato : fikaonandoha ifotony, ny fikaonandoha mahakasika ny fitantanana ny fifidianana, ny fikaonandoha mahakasika ny rafi-panjakana.
🔴Hanamarika ity herinandro ity ihany koa ny fandalovan’ireo iraka avy amin’ny SADC izay hijery ny fandroson’ny asa araka izay voafaritra ao amin’ny programan’asan’ny Fanavaozana. Horesahina mandritry ny fihaonana ihany koa ny lafiny tetibola
🟢Araka ny torimariky ny Praiminisitra dia ampiana ny “fanoloran-tena” na “engagement” ireo soatovin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
🔴Ho tanterahina tsy ho ela ihany koa ny fivoriana hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana izay vonona hiara-hiasa amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.