20 Jona 2026
📍 Ankatso
🎓 Nofaranana androany tao amin’ny Campus Ankatso ny ivon’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Jeux corporatifs nampivondrona ireo sehatra tsy miankina sy ireo iraisan’ny minisitera. ⚽🏀🎯🃏
🤝 Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara tamin’izany ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Mickaël Randrianirina, ny mpanolotsaina Avon’ny ny Fanavaozana;ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison .Tonga nanatrika izany ihany koa ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa. Marihina moa fa isany nandray anjara tamin’ny taranja tsipy kanetibe ihany koa ny ekipan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. 🎯.
Nifanandrina tao anatin’ny lalao ara-pirahalahiana ny ekipan’ny Fiadidiana ny Repoblika/governemanta sy ny ekipan’ny Oniversiten’Antananarivo, tamin’ny baolina kitra anaty efitrano (foot à 7) sy basket ball. ⚽🏀
🌟 Hetsika iray nanamafy ny fifanajana, ny firaisankina ary ny fiaraha-mientana eo amin’ireo andrim-panjakana sy ny tontolon’ny fampianarana ambony, sady nampiroborobo ny fanoloran-tena sy ny fifankahazoana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. 🤝🇲🇬