10 Jona 2026 | 📍 Kaominina Antetezambaro (Fokontany 13), Distrika Toamasina II
📢 Nitohy ny fidinana ifotony nataon’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana eto Toamasina tamin’ny alalan’ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena izay hotarihin’ny FFKM ary hiainga eny anivon’ny fokontany.
🤝 Nafana ny adihevitra ary maro ireo fanontaniana napetraka ka nohazavaina tamin’ireo mpandray anjara. Vonona ny hiara-kientana amin’ny fanentanana ny mponina ireo sefom-pokontany, ben’ny tanàna ary ray aman-dreny aman-tsara.
✅ Niteraka fahatakarana bebe kokoa momba ny Fikaonandoham-pirenena ny hetsika ary hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fanentanana sy ny dingana ho avy. 🇲🇬✨