18 Jona 2026
📍 Maevatanàna – Faritra Betsiboka
🏅 Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eto Maevatanàna ny atrikasa momba ny Politika Nasionalin’ny Fanatanjahantena, nanome voninahitra an’izany Andriamatoa TOMBOZARA, Lehiben’ny Faritra Betsiboka.
🤝 Nandritra izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fakan-kevitra niarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.Isany nanatrika izany ny Talem-paritry ny Fanavaozana Betsiboka Ramaroso Moïse sy ireo tompon’andraikitra hafa avy amin’ny distrikan’i Maevatanàna, Tsaratanàna ary Kandreho.
✅ Nahazoana soso-kevitra sy tolo-kevitra maro hanatsarana ny sehatry ny fanatanjahantena ny atrikasa, ka antenaina hanampy amin’ny fampandrosoana sy fanamafisana ny fanatanjahantena ao amin’ny Faritra Betsiboka sy manerana an’i Madagasikara. 🇲🇬🌟