🗓️ 18 Jona 2026
📍 Ivandry
🇺🇲🇲🇬 Masoivoho amerikana: nankalaza ny faha-250 taonan’ny fahaleovan-tena sy ny faha-160 taona niarahana niasa tamin’ny Madagasikara
👥 Nomarihana androany teny Ivandry ny fetim-pirenena amerikana ary nanatrika izany lanonana izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Mpisolo toerana, ny Filohan’ny antenimieram-pirenena ary mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
🔴 Ny taona 1776,lehilahy 56,olon-tsotra tantsaha, mpitsabo , mpahay lalàna, mpivarotra no nanasonia ny fanambarana ny fahaleovan-tena. Nino foto-kevitra iray miavaka sy manova tantara izy ireo.
🗣️ Nambaran-DRtoa Stéphanie Arnold, Mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny Masoivoho Amerikana fa ny tena nahatonga ny fanorenana an’i Etazonia dia ny fiheverana fa tsy azo avy amin’ny ezaka ny fitoviana, ary tsy fanomezana avy amin’ny olona ny Zo fototra. Afaka misitraka izany ny olombelona tsirairay satria olombelona izy.
🟢 Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Atoa Herinjatovo Aimé Ramiarison, izay nisolo tena ny Governemanta Malagasy kosa dia nanamarika tao anatin’ny kabariny fa ho an’ny ny fitondrana Fanavaozana dia andry lehibe iray hahafahana mamaly miaraka ny hetahetam-bahoaka ny fifampiresahana amin’ny sokajin’olona rehetra indrindra fa amin’ireo tanora.
🤝 Feno 160 taona ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ary samy resy lahatra ny roa tonta ny hanohy hatrany izany fiaraha-miasa izany amin’ny sehatra maro. Tanjona dia ny samy mba hahazoan’ ny roa tonta tombontsoa.