
Kaominina Mahazoarivo – Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany

18 Jona 2026

Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Mahazoarivo nanome fanazavana momba ny fikaonandohampirenena ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ao Fitovinany Romario RANDRIAZAFY ,nandritra izany no nanaovany fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ka nanamafisany fa efa ao anatin’ny dingana fanomanana miaraka amin’ny FFKM izao ny tompon’andraikitra.

Tonga maro ny vahoaka ary nahazo fanazavana mazava momba ny tanjona sy ny fomba fandraisana anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena.