📍Kaominina Arivonimamo I – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy
🗓️ 17 Jona 2026
🗣️ Notanterahina tao amin’ny Kaominina Arivonimamo I ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena notarihin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, niarahana tamin’ireo sefom-pokontany sy ny lefiny.
📖 Nohazavaina nandritra izany ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ary ny fomba handraisan’ny olom-pirenena anjara.
🤝 Nandray anjara mavitrika tamin’ny alalan’ny fanontaniana sy soson-kevitra ireo mpanatrika, ka nahafahana nanamafy ny fahalalana sy ny fahavononan’izy ireo hampita ny vaovao sy hanentana ny vahoaka eny anivon’ny fokontany. 🇲🇬✨