
Kaominina Ampohimpandrano – Miandrandra – Miantsoarivo – Ambohimandry – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

17 Jona 2026

𝗙𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮

Notanterahina ny 17 Jona 2026 tao amin’ny Kaominina Ampohimpandrano ny fihaonana niarahana tamin’ireo Sefom-pokontany miisa 51 avy amin’ny Kaominina Ampohimpandrano, Miandrandra, Miantsoarivo ary Ambohimandry. Nandritra izany no nahafahan’ny mponina nifanakalo hevitra sy nahafantantra misimisy kokoa mahakasika ny Fikaonandoham-pirenena.Ity hetsika ity no manamafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanorenana sy fanavaozana ny Firenena.

Nohamafisina nandritra izany fa ny FFKM no hitarika ny fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena izay hanomboka eny anivon’ny fokontany, ka hahafahan’ny vahoaka maneho malalaka ny heviny sy ny soso-keviny ho fampandrosoana ny Firenena
