
Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Andemaka nitondra fanentanana momba ny fikaonandohampirenena ny Talem-paritry ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany Romario Randriazafy .

Nandritra izany no nanazavana tamin’ny vahoaka ny tanjona sy ny fizotry ny fikaonandoha izay tarihin’ny FFKM, ary ny anjara andraikitry ny olom-pirenena amin’izany. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Ben’ny Tanàna, ireo Sefom-pokontany ary ireo tompon’andraikitra ifotony. Hita nandritra ny fihaonana ny fahalianana sy ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena mba hitondra vahaolana sy hanatsarana ny fiainan’ny fokontany sy ny kaominina misy azy, ka nahatonga ny fihaonana ho tontosa tamim-pilaminana sy fifankahazoana.