
Kaominina Mahasoabe – Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany

17 Jona 2026

Fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena

Nidina ifotony nanatanteraka fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena tao amin’ny Kaominina Mahasoabe ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Romario Randriazafy.Nohazavaina tamin’ny vahoaka ny tanjona sy ny fomba fandraisana anjara amin’ity dingana tarihin’ny FFKM ity.
Vokatr’izany dia nitombo ny fahafantaran’ny vahoaka ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny fikaonandoha.