📍Faritra Boeny
🗓️ 17 Jona 2026
🤝 Fihaonana teo amin’ny Tale Misahana ny Fanavaozana Boeny sy ny Talem-paritry ny Fanabeazana Boeny
Nisy ny fihaonana sy fifampidinihana teo amin’ny Talem-paritry ny Fanavaozana Boeny RAZAFINDRAKOTO Tojo Harinala
sy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao amin’ny Faritra Boeny, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM.
🏫 Nandritra izany no nanamafisan’ny DREN Boeny ny fahavononany hanohana ny fanatanterahana ny fakan-kevitra amin’ny alalan’ny fanomezana efitrano eny amin’ireo distrika rehetra ao amin’ny Faritra, ka hokarakaraina amin’ny andro tsy fianarana ny hetsika mba tsy hisy fiantraikany amin’ny fampianarana sy ny fianaran’ny mpianatra.