📍Soatsifa – Kaominina Maroalopoty – Distrika Ambovombe,Faritra Androy
🗓️ 16 Jona 2026
Fanentanana sy fifampizarana vaovao momba ny Fikaonandoham-pirenena
🤝Nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mponina, fotoana izay notarihan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Androy Miha JAONASITERA . Nandritra izany no nanazavana ny fanomanana sy ny fandrindrana ny Fikaonandoham-pirenena, indrindra ny mahakasika ny fanomezana ny fitantanana ny dingana amin’ny FFKM.
📝Nohamafisina tamin’ireo vahoaka fa tsy misy fiovana ny amin’ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena amin’ny fikaonandoha. Naneho fahavononana handray anjara amin’ny fikaonandoha ireo mpandray anjara taorian’ny fanazavana nomena.