📍Kaominina Ambadrika – Distrika Manakara – Faritra Fitovinany
🗓️ 15 Jona 2026
📣Tontosa ny fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena notarihin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Fitovinany RANDRIAZAFY Romario teo anivon’ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambadrika. Nandritra izany no nanazavana ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena sy ny anjara asan’ny FFKM amin’ny fitarihana azy, izay miainga eny anivon’ny fokontany.
✔️Nahazo fanazavana mazava ny mponina ary maro no tonga nanatrika sy naneho fahalianana tamin’ny lohahevitra. Hita fa manampy amin’ny fampahafantarana sy fanomanana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena ny fidinana ifotony, ka mampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka sy ny fampiakarana ny feon’ny fokonolona amin’ny raharaham-pirenena.🇲🇬🇲🇬