
Kaominina Amboanana – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

16 Jona 2026

Nanentana sy nampahafantatra momba ny Fikaonandoham-pirenena teo anivon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina, ny Délégué, ny sefom-pokontany ary ny olom-pirenena ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy RANARIVAO Onitiana Sitraka
. Nandritra izany no nanazavana ny tanjona sy ny maha zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny dinika eny ifotony.
Nahazo fanazavana mazava ny mponina ary naneho fahalianana sy fahavononana handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena. Manampy amin’ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fampiakarana ny feon’ny fokonolona amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fampandrosoana ny firenena izao hetsika izao.

