📅15 Jona 2026
📍 Kaominina Ambohimasina, Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy
👉Nidina ifotony nanentana sy nampahafantatra ny momba ny Fikaonandoham-pirenena tao amin’ny Kaominina Ambohimasina,fotoana izay notarihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera Fanavaozana Itasy , ny Ben’ny Tanàna ary ireo Sefo Fokontany. Nandritra izany no nanomezana fanazavana momba ny tanjona sy ny fizotry ny fikaonandoham-pirenena.
🎯Nahazo vaovao sy fanazavana ireo tompon’andraikitra eny ifotony ary naneho fahavononana hampita ny hafatra amin’ny mponina ao amin’ny kaominina sy ny fokontany. Izany dia manampy amin’ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena amin’ny fikaonandoham-pirenena.
# Fanolorantena